Jirama : miverina tsikelikely ny famatsiana herinaratra

Nahatonga ny tsy fisian’ny herinaratra tany amin’ny faritra maro ny fahataran’ny famatsiana solika. Efa miverina tsikelikely ny famatsiana izao, ary misy koa ny vahaolana lavitr’ezaka.

Nisedra olana ny famokarana herinaratra tany amin’ny faritra sasan­tsasany tato ho ato. Anisan’ iza­ny ny tany Toamasina, Antsiranana, Tsiroanoman­didy, sy ny maro hafa. Naha­tonga ny fahatapahan’ny jiro ny fahataran’ny famatsiana solika. Maro ny fiantraikan’ny fahatapahan-jiro amin’ny lafiny fihariana sy ny fiainana andavanandro.
Nilaza ho nahatsapa izany ny Jirama. Niezaka nikaroka vahaolana haingana, miaraka amin’ny fanjakana foibe, amin’ ny alalan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH). Efa miverina tsikelikely ny famokarana sy ny fama­tsiana amin’izao fotoana izao.
Misy ny vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka. Anisan’ izany ny tetikasa fametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro manerana ny Nosy. Herinaratra manana tanjaka 50 MW no hovokarina isaky ny ditrika 47. Tetikasa vatsian’ny fanjakana vola. Efa ao Toamasina, ankehitriny, ny kaontenera miisa 25 mitondra ireo fotodrafitrasa ireo. An-dalana efa eny ambony sambo hihazo an’i Madagasi­kara kosa ny kaontenera hafa miisa 145 fanampiny.
Araka ny fampitam-baovao avy any amin’ny Jirama, miezaka hatrany mampahafantatra ny fivoaran’ny toe-draharaha ny Jirama. Manga­ta­ka ny fifandrimbonana amin’ ireo mpiara-miombon’antoka aminy rehetra koa ity orinasa ity ary koa amin’ny mpanjifa.

Njaka A.

Partager sur: