Kaominina Ivato: Vita ny lalankely, voazara ireo karatany

Marolafy ny fotodrafitrasa no­tokanana tao amin’ny kaominina Ivato, omaly, notarihin’ny ben’ny Tanàna, Randrianari­soa Penjy. Vita ireo lalana any anelakela-trano izay tena nampijaly ny vahoaka. Navadika ho beton ireo tetezan-kazo fiampitana ary nipaka hatreny an-ta­nimbary ny fanamboarana hialana amin’ny fianjeran’ireo mpi­anatra mamonjy sekoly eny amin’ireo fokontany voakasik’izany.
Tetsy andaniny, nohavaozina ihany koa ny Tranompo­konolona ao amin’ny fokontany Ankadindravola. Sady endriky ny tanàna no hanampy ireo olona manan-draharaha, toy ireo manao mariazy, manao fety aman-danonana, ny fotodrafitrasa voavoatra.
Omaly koa no nizarana ireo ampahany tamin’ny karatany izay fiaraha-miasa tamin’ny fitondram-panjakana ka tsy diso anjara ny kaominina Ivato.
“Mihazakazaka ny 100 andro amin’ny asa fampandrosoana ary mipaka isan-tokantrano satria midona any am-baravaran’ny olona ny fanamboarana ny lalankely”, hoy ny ben’ny Tanàna. Mifanolo-tanana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny kaominina fa eo koa ny hetra, tamberin’andraikitra omena ny vahoaka.

Tatiana A

Partager sur: