«Ligue des Champions»: hiverina hihaona ny Real Madrid sy ny Man City

Hafana tanteraka ny fihaonana eo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”. Hifandona ireo samy ekipa sangany.

Notontosaina omaly, tany Nyon Suisse, ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC) 2024”. Taorian’izay, hiverina hihaona indray ny Paris Saint Germain (PSG) France sy ny Barcelone FC Espagne. Ny ekipan’ny Real Madrid Espagne kosa hifandona amin’ny Manches­ter City Angleterre.
Ho an’ny PSG sy ny Barça, mbola manalavela ny mpilalaon’i Xavi, mpanazatra ny FC Barcelone. Lavon’ny PSG tamin’ny isa 4 no ho 1 ry zareo Barcelone, nandritra ny ampahavalon-dalan’ny “LDC 2021”. Andrasana ihany koa ny paikady entin’i Luis Enriqué, espaniola teknisi­anin’ny PSG.
Mbola manatanteraka va­lin’ady amin’ny ekipan’ny Manchester City kosa ry Vinicus sy Bellingham, mpilalaon’ny Real Madrid. Tsara ny mampahatsiahy fa lavon’ny Man City tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0 ny Real, nandritra ny manasa-dalan’ny fifanintsanana, ny taona lasa teo. Hatao ny 9 – 10 avrily ho avy izao ny lalao mandroso amin’ izany raha toa ka ny 16-17 avrily ho avy izao, ny fihaonana miverina.

Andrasana ny paikadin’i Luis Enriqué
Miandry izay ho paikady entin’i Luis Enriqué, espaniola mpanazatran’ny Paris Saint Germain ny frantsay mpakafy baolina kitra. Tsiahivina fa ny taona 2017, nahavita nanao “remontada” tamin’ny PSG ny FC Barcelone. Resin’ny Paris tamin’ny isa 4 no ho 0 ny an­daniny, teo amin’ny lalao mandroso ary lavon’ny Barça 6 no ho 1 kosa ny ankilany nandritra ny fihaonana miverina.
Tsara marihina fa tamin’io fotoana io i Luis Enriqué no mpanazatran’ny Barça.

Fitia Randria

Ireo fihaonana rehetra amin’ny ampahefa-dalan

Arsenal FC vs Bayern Munchen FC
Atlético Madrid vs Dortmund FC
Real Madrid CF vs Manchester City
Paris Saint Germain FC vs FC Barcelone

Partager sur: