Maty voatifitry ny polisin’ny UIR tao amin’ny fokontany Tsararano Ambany, Mahajanga, omaly maraina, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra arahina herisetra. Efa fanta-daza amin’ny resaka halatra sy fanendahana ao an-drenivohitry ny faritra Boeny ity jiolahy ity. Tsy vitan’izay fa mpamerin-keloka sy efa matetika migadra ihany koa izy, raha ny tatitra nampitain’ny polisy hatrany. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa nisy nahita ilay jiolahy tamin’io fotoana io. Tao amin’ny fokontany Ambohimandamina izy no nifanehatra tamin’ny polisy. Misy ireo mpiray tsikombakomba aminy ka nilaza hanoro ny namany izy no nitsoaka tampoka rehefa ho tonga teo amin’ny tetezan’i Mady. Nanohitra ireo polisy teny an-dalana izy ka raikitra teo ny fifanjevoana. Vokany, maty voatifitry ny polisy izy.
Efa-dahy nirongo basy mahery vaika koa no saron’ny polisy tao Ambohimandroso Mandritsara, afakomaly. Ao anatina fikambanan-jiolahy mpitam-piadiana ry zalahy ireto. Nisy fanafihana mpividy omby ny volana febroary 2023 lasa teo, tao amin’io fokontany io. Very tamin’izany ny vola 4 tapitrisa Ar. Tsy nijanona teo izany fa nitohy tamina fanafihana mpandraharaha iray hafa. Nitohy ny fikarohana nataon’ny polisy ka izao niafara tamin’ny fahatrarana ny telo tamin’ireo jiolahy sy lehilahy iray hafa izao. Basy lava roa sy bala maro no tratra teny amin’izy ireo.
Jean Claude