Nivory niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF) eo amin’ny sehatry ny rano, ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), omaly, teto Antananarivo. Fihaonana nentina nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiantsehatra samihafa, hampiroboroboana ny vina stratejika.
Nambaran’ny minisitra MEAH, Ravokatra Fidiniavo, fa tanjona ny hametrahana rindran-damina tsara kokoa amin’ny sehatry ny rano (Wash). Eo koa ny hamolavolana drafitrasa iraisana, hampifanarahana amin’ny fe-potoana 100 andro voalohany, sy ny enim-bolana voalohany. Zava-dehibe ny fanetsehana ny loharanon-karena rehetra amin’ny sehatry ny Wash, hiantoka ny fanatanterahana ireo tetikasa rehetra, mifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Natao ity fivoriana ity hamelomana indray ny rafitra fanaraha-maso sy fandrindrana ny tetikasa ary hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny PTF.
Hampitombo ny vokatra ireo sady ho tombontsoan’ny mponina amin’ny fampisitrahana rano fisotro, fidiovana ary fanadiovana ho an’ny Malagasy rehetra.
Njaka A.