Rugby: hifampitana ny TFMA sy ny FTM Manjakaray

Ho fanomanan’ireo fileovana rehetra ny taom-pilalaovana (Top 12), taranja rugby, hisy ny lalao fihantsiana hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Ma­kis Andohatapenaka. Anisan’ ny lalao hangotraka ny fifandonan’ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra) sy ny FTM Manjakaray (Dakar). Donan’ny samy kartie izany ary hiendrika famaranana kely. Raha ara-taratasy, manantombo ry zareo Man­ja­karay saingy manana ny fahaiza-manaony ihany koa ny Ankasina. Ahitana ireo tanora mpilalao, mailaka sady matanjaka ka inoana fa hafana vay ny lalaon’izy ireo.
Ankoatra izay, mbola ady tsy vita koa ny an’ny TFA Anatihazo (Pilo Kely) sy ny Cosfa (Bebaoty). Fihaonana isehoan’ny tanjaka sy ny hamailahana ny azy ireo. Manana mpilalao vaventy ny miaramila, toa an’i Maxime sy ry Rable. Eo koa ny hafetsifetsen’i Ginot miaraka amin’i Gervais. Hiezaka hanakana sy hamotika izany ny Anatihazo, amin’ity.
Hifampitsapa hery ihany koa ny Mang’Arts sy ny FTBA izay samy fileovana avy amin’ny kartie. Hanokatra ny lalao, amin’ny alahady, ny USA Ankadifotsy (Tapany maitso) sy ny UASC Cheminots (Be­setroka). Fotoana hitsapan’ ireo mpanazatra ny mpilalao ao aminy io fihaonana io, mialoha ny hanombohan’ny tena fifaninanana.

Tompondaka

Partager sur: