Tontosa omaly ny fandraisan’ny jeneraly Rakotoarivelo Deramasinjaka Manantsoa ny fibaikoana ny Tafika Malagasy. Anisan’ny ho mpisehatra fototra amin’ny fiarovana anatiny an’i Madagasikara ny Foloalindahy.
Notanterahina teny amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny famindram-pibaikoana teo amin’ ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika (CEMA) teo aloha, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny jeneraly Rakotoarivelo Deramasinjaka Manantsoa. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian. Teny an-toerana, nitondra ny hafatry ny Filohan’ny Repoblika, ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Nanotrona azy ireo ny mpikambana vitsivitsy tao amin’ny governemanta sy ny tomponandraiki-panjakana ambony, ary ireo manamboninahitra eo anivon’ny Foloalindahy.
Nahitsy ny hafatra miaro anatranatra avy amin’ny filoha, Rajoelina Andry, sy ny praiminisitra, notaterin’ny Jly Ravalomanana Richard. « Manaraka ny fivoarana sy fanavaozana ny manontolo lehibe momba ny filaminana isika ka tsy hiompana fotsiny amin’ny fiarovam-pirenena ianareo Tafika Malagasy, fa hanome lanja sy hifantoka misimisy kokoa amin’ny filaminana anatiny sy ny fitandroana ny fandriampahalemana», hoy izy. Nambarany fa firenena tan-dalàna i Madagasikara ka manomboka izao dia tsy maintsy miara-miasa ny polisy sy zandary ary ny tafika. « Tokony ho eo hatrany ny mpanao famotorana rehefa misy asa ataon’ny Tafika. Izy ireo no manana fahaizana amin’ny maha OPJ azy ireo », hoy izy. Nolazainy fa natao hiaro ny Andrimpanjakana ny Foloalindahy fa tsy fotoana hanaovana adihevitra intsony izao.
Nanamafy ny fahavononany, amin’ny fanompoana ny tanindrazana ny jeneraly Rakotoarivelo Deramasinjaka Manantsoa, tamin’ny lahateny nataony. Hanohy ny asa efa vitan’ny teo aloha izy ary hitondra ny anjara birikiny misimisy kokoa hanatrarana ny tanjona sy ny vokatra andrasana aminy.
Jean Claude