Maromaro ny zaza very na nitsoaka ny tokantranon’ny ray aman-dreniny nanomboka ny faran’ny taona ka hatramin’ny faran’ny volana febroary. Matetika noho ny disadisa misy ao anatin’ny ankohonana no antony.
Nanomboka ny 28 desambra 2023 ka hatramin’ny 29 febroary lasa teo, 84 ny isan’ny zaza tsy hita ka nahazoana filazana teny amin’ny sampandraharaha miaro ny zaza sy ny olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady (PMPM) ao Tsaralalàna, Tanjombato, Anosy ary Sabotsy Namehana. Tarehimarika azo araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharahan’ny PMPM, ny kaomisera Rasoamanarivo Lydie, omaly, teny Anosy. 35 amin’ireo antontanisa avy eny amin’ny PMPM. Amin’ny ankapobeny, ireo ankizy 15 ka hatramin’ny 18 taona no maro amin’ireo very na nitsoaka ny tranon’ny ray aman-dreniny.
Nambaran’ny ray aman-dreny fa ny fifandirana niseho tao an-trano matetika no nandaozan’ny ankizy na zatovo ny tokantrano. Fifandirana noho ny fianarana, ny resaka sipa, filalaovana “jeux video” no mitarika ny fandosirana.
Rehefa hita soa aman-tsara ka tafaverina ilay ankizy tsy hita, miverina eny amin’ny sampandraharaha mampilaza ireo fianakaviany. Tsy mitory ireo nampiantrano ny zanany izy ireo. “Tsy azo atao anefa ny mitazona zaza tsy ampy taona tsy nahazoana alalana avy amin’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka azy”, hoy ny nambaran’ny kaomisera Rasoamanarivo Lydie. Aorian’ny fahitana ilay ankizy, tsy maintsy hoentina hanaovana fizaham-pahasalamana eny amin’ny Centre Vonjy izy ireo hitarafana ny herisetra mety nihatra taminy. Raha voamarina fa nampiharana herisetra ilay zaza dia miroso amin’ny fitoriana ny fianakaviana.
Ankoatra ny fandraisana fitarainana momba ny fahaverezan-jaza sy ny fitadiavana ireo very, mandray an-tanana ny fitarainana momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy ny PMPM, na ankizy io na olon-dehibe.
Manao fanentanana
Manao fanentanana eny anivon’ny fiarahamonina koa ny PMPM momba ny fitorohana azon’ny daholobe atao raha misy trangana herisetra mahazo ny ankizy miseho amin’ny mpiray monina. Ankoatra ny fanatonana ny sampandraharahan’ny PMPM efatra voalaza ho an’ny eto Antananarivo, afaka miantso amin’ny laharana maitso 147 na koa miantso ny 034 05 703 73 izay miasa tsy tapaka na andro na alina ihany koa.
Vonjy A.