Hiditra sahady amin’ny lalao manasa-dalana ny fifaninanana “Youzou Smatchin Orange”, taranja basikety, tanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hafana tanteraka ny lalao manasa-dalana, anio, satria ekipa sangany avokoa no tafakatra hiatrika izany. Anisan’izany ny tompondaka farany, teo amin’ny sokajy lehilahy, ny UMagis izay nandresy ny EMIT Fianarantsoa, omaly, nandritra ny lalao ampahefa-dalana. Niady tanteraka ny fihaonan’ny roa tonta izay tena nampitaintaina hatramin’ny farany. Indroa no nisy ny fanalavam-potoana satria dia nitovy hatrany ny isa teny amin’ny solaitrabe. Teo amin’ny fanalavam-potoana faharoa no nanantombo ny UMagis ka nibata ny fandresena tamin’ny isa 108 no ho 101. Tsiahivina fa nisy ihany koa ny fifaninanana hafa ankoatra ny lalao basikety, toy ny “Dance Contest” sy ny “meilleur Dj” ary ny “Miss&Mister”. Teo ihany koa ny fifaninanana “tirs” ka loka 1 000 000 Ar no nozaraina nandritra izany. Araka ny fandaharam-potoana, hatao rahampitso ny famaranana ity andiany faha-10 amin’ny fifaninanana Smatchin ity. Mpanakanto maro no ho avy hanafana ny hetsika ary hisy ihany koa ny fanentanana maro isan-karazany.
Mi.Raz
Voka-dalao omaly
Sokajy lehilahy
EMIT 101-108 UMagis ; SCIENCES 59-74 ESMIA ; ESD 47-60 ACEEM ; CNAM 39-56 CNTemad
Sokajy vehivavy
INSCAE 51-48 UPRIM ; IUM 47-39 EGS ; FLSH 51-55 ENS ; ESCA 88-36 ESSAGRO