Barea de Madagascar : hanomboka anio ny fampivondronana

Hotontosaina manomboka anio, eny Mahamasina, ny fampivondronana ny ekipam-pirenena Barea de Mada­gascar, taranja baolina kitra. Hivoaka anio ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea, hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana, tafiditra anatin’ny “Fenêtre Fifa”. Miaraka mipetraka amina hotely lehibe iray, etsy Ivandry, ny mpilalao voafantina eto an-toerana, na­nomboka omaly.
Raha tsy misy ny fiovana, hisy mpilalao mila ravinahitra any ivelany hamonjy ity fanomanana ny ekipa nasionaly ity. Andrasan’ny rehetra, araka izany, ny lisitra mety havoakan-dRakotondrabe Ro­muald Felix, Malagasy mpanazatran’ny Barea.
Tsiahivina fa hiatrika lalao roa ny ekipa nasionalin’i Ma­dagasikara amin’izany. Ny zoma 22 marsa ho avy izao, hifanandrina amin’i Burundi izy ireo. Hihaona amin’i Rwanda kosa ny alatsinainy 25 marsa, samy hatao eo amin’ny kianja Barea Maha­masina..

Fitia Randria

Partager sur: