Tontosa omaly, teny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana niarahana tamin’i Niu Raza, ao anatin’izao fandalovany eto Madagasikara izao. Sahala amin’ny efa niarahana tamin’ity mpanakanto ity hatramin’izay. Hafa sy nahafa-po, indrindra ny mpankafy, hatrany ny fampisehoana nataony. Vitan’i Niu Raza ny manome fahafaham-po ny mpanaraka azy, tamin’ny alalan’ny seho amin’ny endriny vaovao nefa miaraka amin’ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay. Mbola hisy ny fampisehoana iarahana amin’ity mpanakanto ity, ny 24 marsa 2024 izao, hanomezana fahafaham-po ny mpankafy tsy afa-nanatrika ny hetsika omaly. «Mahafaly foana ny maheno hoe lany avokoa ny tapakila. Tsy tokony hijanona maharitra aho, saingy nahita vahaolana ihany mba hanaovana seho faharoa, satria maro ireo nitaraina tsy nahatratra ny tapakilan’iny seho iny”, hoy i Niu Raza.
Nanakoako teny amin’ny CCEsca Antanimena ny hira «Ampy izay”, “Arendrina taratasy”, “Ikalajejo”, “Mamay” … Fahombiazana hatrany ny an’ity mpanakanto iray ity rehefa manao fampisehoana. Anisan’ny tena mampiavaka azy, amin’ny ankapobeny, ny fahaizany milalao ny tononkirany amin’ny zava-misy iainan’ny vondron’olona tilina. Vokatr’izany, vetivety dia tsy afaka eny ambavan’ny maro ny hirany.
Raha ny mahakasika ilay fampisehoana faharoa. Tsy hitovy amin’iry voalohany, saingy hisongadina hatrany ny maha izy azy ity mpanakanto ity. Aorian’izay kosa, hiverina any Frantsa i Niu Raza hiatrika ny “Festival Antsika jiaby”.
Lin