Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Nosy Be, ny sabotsy teo, ny teratany maorisianina iray sy Malagasy enina, voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana zava-mahadomelina mahery vaika antsoina hoe «haschich» (zava-mahadomelina mahery vaika iray karazana amin’ny cocaïne). Saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Diego Hely Dzamanjar, Nosy Be, ny zoma, ity tambajotrana mpivarotra zava-mahadomelina ity. “Haschich” milanja 3,5 kg no tratra tany amin’izy ireo, tamin’io fotoana io.
Nahazo fampitam-baovao marim-pototra momba ny fisian’ity tambajotra mpanao trafikana zava-mahadomelina ity ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Nosy Be. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany ny ny mpitandro filaminana notarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra, ny Chef d’escadron Rachid Amad Zakaria. Voamarina ny fisian’ireto olona miaraka amin’ny zava-mahadomelina ireto ka niroso tamin’ny fisamborana ny mpitandro filaminana. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, 4 500euros (20 tapitrisa Ar mahery) ny kilao, raha 60 000Ar ny ivarotan’izy ireo ny iray grama. Niaiky ny heloka vitany ireo voarohirohy nandritra ny famotoran’ny zandary.
Vehivavy iray hafa koa tratran’ny zandary tao amin’ny seranan-tsambon’i Nosy Be, tamin’io fotoana io. Nahatrarana Cocaïne milanja 250 grama tany aminy. Nikasa hivarotra sy hanaparitaka ity zava-mahadomelina mahery vaika ity koa izy no nifanehatra tamin’ny zandary. Efa naiditra am-ponja vonjimaika ao Nosy Be ihany koa ity vehivavy ity.
J.C