Toa toe-javatra efa mahazatra ny sofin’ny mpitia fanatanjahantena sy ny mpanara-baovao ny maheno fanontaniana sy baraingo, amin’ny fifantenana izay ho ao anaty ekipam-pirenena. Tsy maintsy mipetraka foana ny hoe: Fa nahoana? Fa maninona?, aorian’ny famoahan’ny mpanazatra ny lisitra farany. Filazana ambadika fa misy zavatra maizimaizina ny amin’ireo anaran’izay voafantina.
Tsy sahy miseho mivantana fa avy hatrany dia mihazakazaka manao fanaratsiana any amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Fanehoan-kevitry ny kanosa izany fa tsy toe-tsain’ny olona spaortifa. Tranga mateti-piseho ny fisian’ireo mpilalao na atleta tsy miteny rehefa ao anaty fampivondronana. Tsy mivolana ary tsy handrenesam-peo, na mahita zavatra tsy manjary aza satria tahotry ny tsy ho anisan’ireo voatazona. Mafy mantsy ny te hitaingina fiaramanidina ary tsy impiry ho any am-pitandranomasina ka aleo akombona ny vava.
Mailaka tsy misy ohatra izany kosa miantso mpanao gazety sy mitabataba any anaty facebook, rehefa tsy ao anatin’ny delegasiona. Fanehoan-kevitra kanosa ny mena-maso miteny. Ny mahay sy ny mafy ilaina foana ka tsy tokony hatahotra hilaza ny tsy mety. Koa aza manao fanehoan-kevitra kanosa ary e!
Tsy ny atleta ihany no manana io toetra manao zipo io, hoy ny fitenin-jatovo, fa misy mpanazatra sy mpitsabo ary mpitantana koa. Manaiky be fahatany raha misy tsindry ataon’ny mpitantana ampidirana mpilalao tsy mahay na marary tsy ho afaka hiakatra kianja akory. Aleo mangina fa sao tsy mandeha «avion» eo. Tsy sahy maneho hevitra satria kanosa. Tena mamotika ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny fanehoan-kevitra kanosa koa alao hery ary.
Tompondaka