Nitsidika ny saha filamatra eny Ambatolampy Tsimahafotsy, hampiharana ny fomba fambolena Pfumvudza, ny filoha, Rajoelina Andry, omaly maraina. Fianakaviana 1000000 no kendrena hisitraka ny fiofanana anatin’ny roa taona.
Tafiditra anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana, amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia mampihatra ny teknikam-pambolena Pfumvudza i Madagasikara. Nisy mpiofana ho mpampiofana miisa 30 nalefa tany Zimbabwe tamin’ny janoary 2023 teo. Anisan’ny saha filamatra nampiharana ny fahalalana norantovina ny eny Ambatolampy Tsimahafotsy. Ahitana velaran-tany 5 000 m2, ahitana faritra efatra, ambolena «mucuna» ampifandimbiasina amin’ny ahitra, hitazonana ny tsiron’ny tany. Eo koa ny vary an-tanety Nerica, ny katsaka ary ny soja. Misy saosety, haricot vert, anandrano an-tanety koa eny an-toerana.
Ampifamadihana ireo voly ireo isan-taona. Mahavokatra vary 375 kg ny velaran-tany 624 m2, sahaza ny fianakaviana iray. Nilaza ny minisitry ny Fambolena (Minae), Ratoharijaona Rakotoarisolo Suzelin, fa ahazoana 3 na 4t/ha ny any Ambatondrazaka.
Hatao tetikasam-panjakana ny teknika “Pfumvudza”, ka miisa 1 000 000 ny fianakaviana hampiofanina, mandritra ny roa taona.
Kely mahavokatra be!
Mampiavaka ny teknika Pfumvudza ny ahazoana vokatra betsaka amin’ny velaran-tany kely, sady ampiasana masomboly kely. Tombontsoa efatra no azo aminy, mitahiry ny halonaky ny tany, mihena ny masonkarena satria tsy mila manarama olona, mitombo ny vokatra ary ho fahaiza-mitantana ho an’ny tantsaha.
Tsy mila asaina ny tany fa sorohina fotsiny ary rakofana fako avy eo. Tsy mandany rano fa 350 ml ho an’ny tsatoka iray isaky ny tapa-bolana. Tsy nanondraka mihitsy ny tantsaha teny Ambatolampy Tsimahafotsy tamin’ity fahavaratra ity.
Mihevitra ny hanapariahana ity fomba fambolena Pfumvudza ity ny filoha Rajoelina, raha tafaresaka tamin’ny fikambanam-pivavahana vahiny mitarika ny tetikasa «Foundation for farming». «Fomba iray hiadiana amin’ny fahantrana sy hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ity teknika ity», hoy izy, omaly.
Anisan’ny hampiharana azy ny tetikasa “Ankohonana miarina” any Arivonimamo.
Njaka Andriantefiarinesy