Notontosaina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny lalao fanomanana ny fifaninanana nasionaly “Top 12”, taranja rugby. Nisongadina tamin’izany ny fandresena azon’ny Cosfa miaramila sy ny FTM Manjakaray. Ny mpilalaon’i Manjakaray, nandresy ny TFMA Ankasina tamin’ny isa 33 no ho 28 ary ny Cosfa miaramila, nandavo ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa mavesatra 50 no ho 31.
Azo lazaina, araka izany, fa mbola ao anatin’ny heriny tsara ireto ekipa roa nanao ny famaranan’ny “XXL Top 20” ireto. Tsiahivina fa norombahin’ny FTM ny “XXL Top 20”, rehefa resin’izy ireo tamin’ny isa 31 no ho 27 ny Cosfa, tamin’ny taon-dasa, teo amin’ny kianja Makis. “Hiavaka tanteraka ny “Top 12”, hifanandrina avokoa ireo ekipa mandray anjara amin’izany”, hoy ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel.
Nomarihin’ity filohan’ny Malagasy Rugby fa izay roa voalohany amin’izany, hiatrika ny manasa-dalan’ny fifaninanana avy hatrany. Ireo klioba enina aorian’ny laharana voalohany sy faharoa kosa hanao lalao sakana, ka izay ekipa roa tsara laharana no miakatra eo amin’ny manasa-dalana. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 24 marsa ho avy izao ny “Top 12”.
Fitia Randria