Efa nisokatra ho an’ny mpampiasa lalana, nanomboka ny fiandohan’ny volana marsa teo, ny andaniny sy ny ankilany amin’ny lalam-pirenena RNT58, na lalana Rabetafika. Mampitohy an’ Ankadimbahoaka mandalo ny Fasankarana, hatreny amin’ny Jovena Anosizato ity lalana ity. Vita tanteraka ny fanarenana azy amin’izao fotoana izao, izay efa tena nampitaraina ny mpampiasa lalana hatramin’ izay.
Mirefy 3 km ny lalana narenina, nataon’ny orinasa Colas, manaraka ny fenitra takina. Namatsy vola kosa ny fanjakana Malagasy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Niteraka fitohanana lavaren’ny fifamoivoizana ny fahasimban’ity lalana ity. Azo antoka fa hivaha izany, ankehitriny, indrindra ny mpandeha hamonjy na hivoaka ao amin’ ny toby fiantsonan’ny taksiborosy ao amin’ny Fasankarana.
Ankoatra izany, nilaza ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny herinadnro lasa teo, fa efa hivoaka ny fandaharam-potoana amin’ny hanarenana ireo lalam-pirenena, izay tena potiky ny orambe teo. Anisan’izany ny RN2, ny RN4, ny RN7 ary ny RN6.
Njaka A.