Governemanta : tapitra ny fambolen-kazo eto afovoantany

Niara-nientana namboly hazo ny mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny sabotsy 16 marsa teo. Natao teny amin’ny fokontany Ambohimahavelona, kaominina Talata Volonondry, distrika Avaradrano, ny hetsika entina hiarovana ny tanimbary tsy ho kaohin’ny riaka.
Misy fifanarahana eo amin’ny primatiora amin’ny kaominina sy ny fokontany, hikarakarana sy hanaovana fanaraha-maso mitohy sady maharitra ireo hazo nambolena, mba hahazoana vokatra tsara.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny famaranana ny fotoana fambolen-kazo ho an’ny taona 2024 aty afovoantany ity hetsika ity. Mitohy kosa ny any amin’ny faritra, satria tsy mitovy ny fotoam-pahavaratra. Azo atao foana, ohatra, ny mamboly ny hazo honko amin’ny faritra mando sady misy rano mandavan-taona.

Njaka A.

Partager sur: