Miisa 27 ireo Cisco nampiofanana ireo mpampiofana mahakasika ny «pratique de cours de remédiation». Tanjona ny hanatsarana ny taham-pisondrotana kilasy eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra sy ho fampirisihana ary fampandraisana andraikitra amin’ireo ambaratongam-pitantanana eny amin’ny sekoly.
Nisy ny hetsika fandidiana hernie maimaimpoana notanterahin’ny CHU HJRA, ny herinandro teo. 16 ireo ankizy nisitraka izany. Tanjona ny hanamaivana ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny mahatsiaro ho tena sahirana.
Paikady mahomby amin’ny famatsiana fanafody amin’ny toerana saro-dalana ny fampiasana drône. CSB any ambanivohitra be miisa 127, any amin’ny faritra Atsinanana, Analanjirofo, Sava, Sofia ary Melaky no efa novatsiana fanafody tamin’ny alalan’izany. Sidina 4 200 no efa natao.
Nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Niresaka ny fanomezan-danja ny mari-pahaizana mivoaka avy eny amin’ny oniversitem-panjakana sy ny tanora misehatra eo amin’ny fampianarana sy ny fikarohana ny roa tonta.