Lalao Afrikanina : hiakatra kianja, manomboka anio, ny Ankoay sy ny Makis Ladies

Nafana ny Lalao Afrikanina, atao any Accra Ghana, ho an’i Madagasikara, tamin’ny herinandro lasa teo. Hiakatra kianja, anio, ny Ankoay. Rahampitso ny Makis Ladies Seven.

Hiakatra kianja, manomboka anio, hiatrika ny lalao voalohany amin’ny Lalao Afrikanina, atao any Accra, ny Ankoay lahy sy vavy, taranja basikety 3×3. Araka ny fandaharam-potoana nivoaka omaly, ny ekipan’i Côte d’Ivoire sy i Ghana, mpampiantrano no hifanandrina amin’
ireo ekipa vehivavy malagasy. Ny ekipa nasionalin’i Mali sy i Ghana, tompon-tanàna kosa ny an’ireo Ankoay, lehilahy.
Tsara marihina fa ao anatin’ny vondrona “A” no misy ny Ankoay, vehivavy,  raha toa ka ao amin’ny sokajy “B” ny lehilahy. Tsara ny mampahafantatra fa ireo mpilalao latsaky ny 23 taona ihany no afaka mandray anjara amin’ny Basikety 3×3, mandritra ny lalao. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, efa vonona tanteraka ny Malagasy atleta ary tanjon’izy ireo ny haka medaly volamena amin’ity andiany ity.
Lalao dimy
Efa any Accra Ghana koa ny Makis Ladies Seven, amin’izao fotoana izao, hiatrika lalao dimy, amin’ny taranja  rugby lalaovin’ olona fito. Hiakatra kianja rahampitso izy ireo, raha ny vaovao voaray teo anivon’ny Malagasy Rugby. Tsara marihina fa hatao anatin’ny iray andro avokoa ireo lalao dimy ireo. Fanamby goavana no miandry ny Makis, vehivavy, amin’ity fifaninanana ity.  Tanjona ny handrombahana ny me­daly volamena ho an’i Madagasikara. Tsara ny mampahatsiahy fa saika ireo mpilalao efa niatrika ny “Mondial 2022”, tany Afrika Atsimo, avokoa no mandrafitra ny Makis Ladies Seven.
Ankoatra izay, mbola tsy niova ny isan’ ny medaly azon’i Madagasikara tamin’ity Lalao Afrikanina ity. Miisa 13 no azo hatramin’izao: efatra volamena, roa volafotsy ary fito alimo. Nidina eo amin’ny laharana fahasivy i Madagasikara. Tsara ny mampahafantatra fa hifarana ny 23 marsa ho avy izao ny “Jeux Africain 2024”.

Fitia Randria 

Partager sur: