Mercy Ships: hanomboka ny fizahana marary maimaimpoana

Mitohy ny fandraisana ny anaran’ireo ho tsaboina ao amin’ilay sambo hopitaly Mercy Ships any Toamasina. Hanao ny dingana rehetra izy ireo aorian’izany.

Hotanterahina manomboka ny 28 mey izao ny fizahana sy ny fandidiana ho an’ireo marary mila izany. Efa nanomboka ny 11 marsa, hifarana ny 29 marsa ny fisoratana anarana ho an’ireo te hisitraka ny fitsaboana. Anisan’ny mandray anarana ny etsy amin’ny hopitaly manara-penitra, Andohata­penaka.
Havoakan’ny tomponandraikitra ny 9 mey, aorian’ny fifantenana, ny lisitra sy ny anaran’ireo voasivana hahazo ny fitsaboana maimaimpoana. Tsy maintsy mandalo “visite médicale” ahafantarana ny fandidiana tokony hatao ami­ny izy ireo alohan’izay.
Hahazo tombony manokana ireo marary tsy mbola nitsabo tena tany amin’ny toerana hafa. Mikendry ny hitsabo marary maherin’ny 1 500 ny Mercy Ships amin’izao andiany izao. Ho raisin’izy ireo an-tanana ny fampiantranoana ny marary sy ny mpanaraka azy rehefa ao Toamasina. Misy ny fakana ny marary raha any amin’ny toerana saro-dalana.

Bingo, sima, hernie…
Anisan’ny hanaovana fandidiana amin’izany ny fivontosana amin’ny tarehy na tenda. Ny areti-maso katarakta, ny hernie, ny bingo, ny sima sy vaky lanilany, mikainkona vokatry ny fahamaizana eo amin’ny vatana…
Tsiahivina fa efa nigadona ao Toamasina ny fiandohan’ny volana febroary ity sambo hopitaly be ity. Niroso tamin’ny fiomanana sy ny fandaminana ny fitaovana rehetra hiatrehana ny fitsaboana izy ireo taorian’izany. Tsy mijanona amin’ny lafiny fitsaboana ihany izy ireo. Misy ny fanavaozana fotodrafitrasa sy ny fifanakalozana kolontsaina ary ny lalao ara-panatanjahantena.

Synèse R.

Partager sur: