Ady saritaka ny eny anivon’ny vondrona na antoko politika amin’izao? Amin’ny hoe: iza no harotsa-kofidina ho solombavambahoaka, iza no mety hofidin’ny vahoaka ifotony, iza no azo antoka fa tsy hivadika… ? Ady fiady izay, fa samy te ho lohany. Izay hahazoana toerana maro eny anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao no kajikajina sy anaovana paipaika politika, fa tsy izay mahazo ny vahoaka. Dia misy hilazana fa fitsinjovana ny vahoaka no anaovana an’izay: ho an’ny vahoaka ny fanaovan-dalàna, ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta, ny fitondrana ny hetahetam-bahoaka. Izany tokoa ve? Eo ny vahoaka handinika, hitsara, hanapa-kevitra.
Efa misy ny misehoseho na misekoseko aza fa mamim-bahoaka ka hoe harotsaky ny vondrona na antoko politika misy azy, indrindra ho voafidy. Amin’izany, efa misy ny manambitamby vahoaka amin’ny fizarana fanampiana na fanomezana, manao fampanantenana hanao an’itsy na iroa. Eny, na mpanao lalàna fa tsy lalàna aza ny hoe solombavambahoaka: misy tsy menatra ny mampanantena hanao fotodrafitrasa itsy na iroa, ohatra. Nefa tsy firy na tsy misy manazava hoe hatao izay hitondra ny hetahetam-bahoaka any amin’ny mpanatanteraka sy mandresy lahatra azy ireo amin’izany. Raha izay fanazavana izay no atao, tsy hisy hifidy ny tena eo?
Ny vahoaka ihany no antony raha mbola matimatin’ny tsipy kely na fanomezana izao na izatsy, fampisehoana maimaimpoana, omby maty, fisotroan-toaka… Mila miova raha te hanova: miova amin’izay fijery izay hisolo vava ny tena, tsy manaiky hovidina ankolaka na mivantana… Matoa mbola mandaitra ny fanambatambazana, misy hatrany ny manaiky lembenana sy mety hofitahina amin’izany. Hahagaga raha tsy miova firy ny fiainam-bahoaka, na iza na iza voafidy nifandimby teo? Ny ataon’ny tena ihany no mahasoa na maharatsy.
R. Nd.