Mbola mijoro manohy ny revy i Dama sy i Bekoto. Milahatra amin’izy mirahalahy eo ireo taranaka Mahaleo, sy ireo mpankafy manjohy hatrany. Nanakoako tetsy Antsahamanitra indray ireo hira tsy tontan’ny ela.
Miezaka. Izay no tena mahafehy azy, raha hiresaka mahakasika ny «Revy Mahaleo», tetsy Antsahamanitra, omaly. Niezaka i Dama sy i Bekoto, na dia tsapa aza ny vesatry ny taona maro teny an-tsehatra. Efa 52 taona izao ny nisian’ny tarika Mahaleo, kanefa mbola ireo miatrika ny mpankafy azy ireo izy mirahalahy. Niezaka ihany koa ireo taranaka Mahaleo, manohy ilay revy, miaraka amin’izy mirahalahy akanga sisa nanamborana. Niezaka satria tsy natao hanolo ny efa lasa akory, fa mamelo-maso ny kanto nentin’ny Mahaleo. Tsy tonga tamin’ny lafatra, fa nijoro niatrika ny mpankafy kosa ry Rado (zanak’i Fafa), Pôpôly (zanak’i Bekoto), Rôrô (zanak’i Charles) ary i Benaivo (zanak’i Nônô). Niantso an’i Tojo ry zalahy nanamafy ny teo amin’ ny gitara, izay zavamaneno fototra amin’ny “Revy Mahaleo”. Noraisin’ny mpankafy tsara ary nahazo sitraka manokana ihany koa i Bib’s teo amin’ny zavamaneno tsofina.
Niezaka ihany koa ireo mpijery, mpankafy ny tarika Mahaleo. Sarotsarotra tamin’ny voalohany ny nandraisan’ireo tena “mpiondana” ireo taranaka, fa rehefa nanaporofo fa mahavita ireto farany dia noraisina tamin’ny hoby ihany. Tsikaritra fa an-kavitsiana sisa ireo mpankafy maherin’ny 52 taona, taona nisian’ny tarika Mahaleo. Porofo anefa izany fa tafita ny kanto ary manamafy indray fa efa mitoetra ho mandrakizay ilay revy.
Lafiny fampisehoana, nezahan-dry zalahy ho toa ny “revy Mahaleo” taloha mihitsy. Nizara telo izany, ka ora dimy vao vita. Notrandrahin’ny taranaka ireo hira efa natoritory, toa ny “Raozy vony”, sns. Tsy azo nialana kosa ireo manamarika manokana ny tarika, toa ny “Vololona”, “Raha mila fanampiana”, “Mba misotrosotro”, Somambisamby”, sns. Mazava loatra fa natokana tamin’ny tapany fahatelo farany ireo mihetsiketsika rehetra, mampiavaka ny seho hatramin’izay.
Fa nanaraka teny foana ihany koa ireo tsy fetezana madinidinika, zary lasa tafiditra anatin’ilay “Revy Mahaleo”. Olana eo amin’ny lafiny teknika, ny fanadinoana tononkira, ny adiady eo amin’ny samy mpijery. Soa fa saron’ilay fitiavana ny kanto nifampizarana hatrany izany.
Zo ny Aina