TARATRY ny KANTO

Nitohy tany Analanjirofo ny fampiofanana ireo mpisehatra ao anatin’ny zavakanto. Tafiditra anatin’ilay tetikasa “Prom’Art”, izay novolavolain’ny fitaleavana misahana ny zavakanto sy ny fanapariahana ny kanto eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, izy ity. Mpisehatra 40 no nahatozo ny fiofanana ka afaka miatrika ny tsenan’ny zavakanto, isaky ny sokajy misy azy avy.

Mitohy hatramin’ny 28 marsa 2024, ny festival “Temps Fort Théatre”, tanterahina eny amin’ny IFM Analakely. Ankoatra ny fampisehoana. Misy ihany koa ny valandresaka iresahana sy hizaran’ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny teatra ny fahaiza-manao sy ny traikefany. Ny faran’ny herinandro teo, ny Compagnie Nouvelles scènes sy ny Lamine Diarra no nitondra ny seho, nandravaka ny sehatra.

Tontosa omaly, ilay ady hiragasy anisan’ny be mpiandry indrindra. Nifandona tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto Mahamasina ry Rasoalalao kavia sy ry Ramilison Besigara zanany. Tropy roa samy manana ny maha izy azy, ary samy efa nitondra ny hiragasy tamin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo. Vory vahoaka nanomboka ny maraina ny toerana. Hatramin’ny maty masoandro kosa ny fiarahana.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana hifantenana ny solontenan’i Mahajanga sy Antananarivo, mandritra ny fifaninanana nasionaly eo amin’ny Slam . Mitsinjo no hisolontena an’Antana­narivo, raha i Memo mes mots kosa ny an’i Mahajanga. Efa ao anatin’ny fanomanana kosa ireo faritra hafa.

Partager sur: