Hotanterahina ny alahady 7 avrily ho avy izao, ny andiany fahavalo amin’ny “Trail Ibity”. Fifaninanana karakarain’ny Association Antenna Madagascar ao Ibity, izay miahy ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Araka izany, hampiantrano ity hetsika ity ny faritra Vakinankaratra. Hiavaka amin’ireo andiany teo aloha ity satria mitondra fanatsarana hatrany ny mpikarakara. Hahaliana sy hahasarika ny fifaninanana, ho an’ireo mpanao fanatanjahantena sy ny mpankafy ny natiora.
Tanjona amin’ity ny hanangonam-bola homena ireo ankizy miaina amin’ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika, beazina ao amin’ny akany misahana izany ao an-toerana. Ho fahatsiarovana ity andiany ity, misy ny zava-baovao. Anisan’ireny, ny lalana mirefy 30 km sy ny amboara Corporate.
Ankoatra izay, tsy misy fiovana amin’ny teo aloha ny lalana hizoran’ny fifaninanana, toy ny halavirana 12 km natokana ho an’ireo olona manana vatana salama sy matanjaka. Eo koa ny 2 km, miaro fizahantany natao ho an’ny olon-dehibe sy ny ankizy. Sady hihazakazaka no hahita ny hakanton’ny toerana ireo mpifaninana, izay manan-karena zava-boahary. Hahazo medaly ho fahatsiarovana avy amin’ny mpikarakara avokoa ireo rehetra tonga hatramin’ny farany. Ho fety be tokoa ity “Trail Ibity” ity satria hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra, hatramin’ny ankizy izay hisy toeram-pilalaovany. Haharitra hatramin’ny 30 marsa, ny fara-fisoratana anarana ho an’ireo liana amin’ity “Trail Ibity” ity.
Torcelin