Tsarasaotra: fiara nivadika, olona iray maty

Namono olona indray ny lalam-baovao Tsarasaotra Ivato, ny sabotsy teo. Roa lahy nandeha fiara Golf iray no tra-doza tampoka rehefa nitrongy andrin-jiro. Raha ny tatitra nampita­in’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Sodokan’ny hatsaran’ny lalana ny mpamily ka nandeha mafy. Tsy nahafehy ny familiana intsony tao anatin’izay fandehanana mafy izay ity farany ka nidona tamin’ny andrin-jiro. Nianjera mihitsy ilay andrin-jiro vokatry ny dona mafy avy amin’ilay fiara. Maty tsy tra-drano ny iray raha naratra mafy kosa ilay tovolahy iray hafa tao anatiny. Potipotika tsy nisy noraisina ny lohan’ny fiara. Voatery novakiana ny fitaratry ny fiara namoahana ireo niharam-boina avy ao anatiny. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana ilay naratra.

J.C

Partager sur: