TSELATRA

Olona sivy mpiasan’ny Jirama no indray naratra vokatry ny fivadihan’ny lamasinina iray tao akaikin’Andasibe, PK 206, ny sabotsy teo. Fiarandalamby mampitohy an’Andasibe sy Andekaleka ity tra-doza tampoka ity. Nitondra ireo mpiasan’ny Jirama hiasa ity lamasinina ity kanjo izao nivadika teny am-pandehana izao. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
Reseveran’ny Paositra roa lahy no atao andrimaso eny anivon’ny zandarimariam-pirenena, hatramin’ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa nanodikondina volam-panjakana mitentina 249 175 385 Ar ny iray. Nanodina 7 722 860 Ar kosa ny iray. Miasa amin’ny faritra roa samy hafa izy ireo. Misokatra ny famotorana.
Saron’ny polisin’Antaniavo teny Ankazomanga Atsimo, ny jiolahy nanendaka mpandeha taxi-be iray, ny zoma teo. Teo am-pialana taxi-be io mpandeha io no nifanehatra tamin’ilay jiolahy. Natolotra ny fampanoavana izy ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Partager sur: