Viavy Film Festival : lasan’i Nya Rafali ny amboara “Tresse d’or”

Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny lanonana nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny valin’ny fifaninanana “Viavy Film Festival”, andiany voalohany. Nya Rafali sy Rova Andriantsileferintsoa ary Mazigna Barros no nandrombaka ny amboara, nandritra izany. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, azo lazaina ho tratra ny tanjona tamin’ity andiany voalohany ity. Maro ary nahasarika vehivavy mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika maro ny “Viavy Film Festival”.
Lasan’i Nya Rafali, tamin’ny alalan’ny sarimihetsika “Why are we awake” notontosainy, ny amboara “Tresse d’or”. Raha tsiahivina, Sarimihetsika mahakasika no hoavin’i Mada­gasikara sy ny anjara andraikitry ny vehivavy manoloana izany no tantarain’ity sarimihetsika ity.
Ankoatra izay, Rova Andriantsileferintsoa, tamin’ny ala­lan’ny sarimihetsika “Hidy”, no nahazo ny amboara “Tresse d’argent”. Mazigna Barros, tamin’ny alalan’ny “Sous silence” kosa, no nahazo ny “Prix Somala”.

Lin

Partager sur: