Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny fahaiza-mitantana. Manampy ny ankizy sy ny tanora hanana hoavy mamiratra amin’ny fanabeazana ara-bola ny hetsika Global Money Week (GMW).
Fototra iorenan’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena ny fahaizana mitantam-bola. Ilaina ny fanabeazana sahady ny ankizy sy ny tanora amin’ny fandraharahana ara-bola sy hananany hoavy mamiratra eo amin’ny sehatry ny toekarena. Tontosaina etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny 18 hatramin’ny 24 marsa izao, ny herinandro maneran-tany mahakasika ny vola, “Global Money Week” (GMW). Hetsika fanao isan-taona hampitomboana sy hanatsarana ny fanabeazana ara-bola. Lohahevitra ny GMW 2024 ny hoe “Arovy ny volanao, tsinjovy ny ho avy”, izay miompana manokana amin’ny fanabeazana ara-bola ny ankizy sy ny tanora, hahaizany mitantana am-pahendrena izay eo am-pelatanany. “Hoavin’ny firenena ny tanora ka tokony hisitraka fanabeazana mifanaraka amin’ izany”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny “Commission de la supervision bancaire et financière (CSBF)”, Ranaivoson Augustin, izay nisolotena ny Governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika, omaly. Hetsika hisarihana ny ankizy sy ny tanora ho tompon’andraikitra amin’ny fihariana sy ny fitantanam-bola ny GMW. “Izahay ankizy no hoavin’ny firenena rahampitso, koa tsara raha mbola ety an-tsekoly dia efa hampianarina hahay hitantana sahady”, hoy Ralalaniaina Harinala, solontenan’ny ankizy kilasy faha-6 ao amin’ny CEG Antanimbarinandriana. Hiara-hiasa, araka izany, ny minisiteran’ny Fampianarana sy ireo tomponandraikitra voakasika amin’ny fanabeazana ara-bola ny ankizy.
Toekarena
Manan-danja ny fahaizana mitantam-bola, hahafahana miady amin’ny fahantrana. Misy ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny lohahevitra, ny tontolon’ny fitantanam-bola mandritra ny hetsika. Nampahatsiahy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Ramanampanoharana Andry, fa “natokana ho anareo zatovo sy tanora ity herinandro ity. Mampirisika anareo sahady dieny izao mba hanana faniriana handraharaha, ataovy izay hahaiza-mitantana tsara ny volanareo, mahaiza manavaka ny mahasoa sy ny mahafinaritra, mandrafeta tetibola, manàna fahazarana mampitaha ny vidin-javatra rehefa hanjifa ary tandremo ihany koa ny mpisoloky”. Mandraisa fanapahan-kevitra ara-bola matotra sy am-piheverana fa hanampy anareo izany mandritra ny androm-piainanareo, hoy hatrany ny fanazavany.
Henintsoa Hani