Hanatsarana ny volley-ball : hifandinika ireo teknisiana

Mitohy hatrany ny fitadiavana vahaolana sy paikady hana­tsarana ny taranja volley-ball, ataon’ny federasiona malagasy. Taorian’ny jery todika natao mahakasika ny fandraisan’i Mada­gasikara ny “CCZone7” farany teo, hisy ny fampihaonana ireo Malagasy teknisiana. Andro iray atokana ho an’ny mpitan­tana, mpanazatra, mpikatroka, hifandinihana izay tokony ha­na­tsarana ity taranja ity. Ny sabotsy 23 marsa izao, ao amin’ny ANS (Académie nationale du Sport) Ampefiloha, no hana­tante­rahana ity “journée de réflexion” ity. Tanjona ny hahafahana mampiakatra ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny mpian­tsehatra rehetra eo amin’ity taranja ity eto Madagasikara. Ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasin’ ny volley-ball, Raoelison Hasimbola, no hitarika ny fotoana amin’io. Hisokatra amin’ny rehetra kosa anefa ny fifampiza­rana ary hiarahana mikaroka izay paikady tena hanatsarana ny taranja volley-ball. Tsiahivina, tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny federasiona, izay tarihin-dRaharimalala Léa, izao paikady fana­vaozana sy fanatsarana izao. Manantena ny fahatongavan’ny mpisehatra rehetra, araka izany, ny federasiona mala­gasin’ny volley.

Mi.Raz

Partager sur: