Vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny fampiroboroboana ny famokarana eto Madagasikara, hialana amin’ny fanafarana entana any ivelany. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny tetikasa “Taninketsa indostrialy” ataon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Hatramin’ny taon-dasa, misy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ ny minisitera amin’ny fametrahana ireo milina hanodinana ny vokatry ny tantsaha. Ny taona 2023, efa maherin’ny 40 ireo milina tafapetraka. Hafainganina sy mbola hitohy ao anatin’ny 100 andro ny tetikasa fametrahana ireo milina tsy mbola tafapetraka. Araka izany, napetraka ao Moramanga ny milina hanodina ronono ho lasa yaourt sy fromazy. Toerana anisan’ ny mamokatra ronono betsaka ny faritra saingy tsy nanana fotodrafitrasa hanodinana izany, antony indrindra nahatonga ny minisitera nametraka ny milina hanampiana ny tantsaha sy hampitomboina ny fidiram-bolany ary hanatsarana ny toekaren’ny faritra. Toy izany koa ny milina fanodinana tantely ao Manjakandriana, ny milina fanodinana paoma ao Antsirabe, ny milina fanodinana ovy ao Betafo. Hapetraka tsy ho ela koa ny ozinina hanodina voatabia ao Mahitsy.
Fifampitsinjovana
Natao ho zakan’ny fahefa-mividin’ny tokantrano tsirairay sy tsara kalitao ary manara-penitra ny vokatry ny tetikasa “Odof”. Manampy ny fampitomboam-bokatry ny tantsaha izany no mampiroboro ny fihariany ihany koa. Manaporofo izany ny fandrosoan’ny taninketsa indostrialy napetraka ao Ankadinondry Sakay. Milina mpanodina voanjo ho lasa menaka no napetraka any an-toerana. Ankehitriny, maro ireo maniry handray ny vokatra azo noho ny hatsaran’ny kalitao. Tsy maharaka ny filàn’ny mponina ny vokatra voahodina raha toa ka ratsy sy mbola nahodina tanana izany taloha.
Henintsoa H.