Ireo mpitsara avy amin’ny Nosy rahavavy, Maurice, no hiandraikitra ny fihaonana rehetra hatao etsy Mahamasina, mandritra ny lalao ara-pirahalahiana karakarain’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Afaka telo andro sisa, hiatrika lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa” ny ekipa nasionaly malagasy. Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Maorisianina no hitantana ny lalao rehetra hatao ny 22 sy ny 25 marsa ho avy izao, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Miisa telo ireo firenena ho avy eto. Anisan’izany i Burundi, Rwanda, Botswana.
Tsiahivina fa ny 22 marsa, hifanandrina amin’i Burundi i Madagasikara. Ny 25 marsa kosa, hihaona amin’i Rwanda. Raha tsy misy ny fiovana, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By pass sy ny “synthétique” Mahamasina ihany no azo hanaovana ny fanazaran-tena. Tsara ny mampahafantatra fa ao amin’ny hotely lehibe iray etsy Ivandry, misy ny Barea, ihany no mipetraka ireo delegasion’ny firenena rehetra mandray anjara amin’ ity lalao karakarain’ny FMF ity. Ankoatra izay, nigadona omaly, teto an-tanindrazana ny ekipam-pirenena rwandey.
Niresaka Raveloson sy ny filoha Rajoelina
Araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny FMF ihany no nahenoana fa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, sy ny kapitenin’ny Barea, Raveloson Rayan. Raha ny fantatra, niangavy an’ity farany, amin’ny maha kapitenin’ny Barea azy, ny filoha, mba handresy lahatra ireo mpilalao any Eoropa, hanaiky ny antso ataon’ny mpanazatran’ny Barea. Ny filoham-pirenena sy ny lehiben’ny federasiona FMF, Randriamanampisoa Alfred, izay miara-miasa akaiky amin’ny fanatrarana ny tanjona dia ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “Mondial 2026”, hatao any Etazonia.
Fitia Randria