Anisan’ny mankalaza ny Iray volan’ny teatra isika eto Madagasikara. Maro ireo ivontoeran’ny kolontsaina no mampiantrano sy manatanteraka izany. Anisan’izany ny eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, amin’ny alalan’ny « Festival Temps Fort Théâtre ». Maro ny hetsika saingy tokana ihany ny tanjona dia ny hamerenana ny hasina sy ny maha izy azy ny teatra, amin’ny maha zavakanto azy.
Amperiny amin’ny fankalazana ity Iray volan’ny teatra ity isika amin’izao. Misy ny fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, ao anatin’ny hetsika iarahana amin’ny Malagasy sy vahiny matihanina eo amin’ny sehatry ny teatra. Anisan’ izany i Lamine Diarra, Frantsay mpiangaly teatra. Eo koa ny fampisehoana iarahana amina vondrona mpiangaly teatra, sangany eto Madagasikara, sahala amin’ny Compagnie Miangaly Théâtre, Compagnie Nouvelles Scène ary ny Compagnie Magnano Massip avy any Frantsa. Mbola hisy ny hetsika maro samihafa hatramin’ny 28 marsa 2024, fotoana hifaranan’ny « Temps fort Théatre ».
Efa miha miverina tsikelikely ny maha izy azy ny teatra eto Madagasikara, raha somary nihena izany taloha teo. Taratra izany amin’ny fitomboan’ireo mpankafy, indrindra ireo ankizy sy tanora. Izany dia vokatra ny ezak’ireo tomponandraikitra. Anisan’izany ny fisian’ny fikambanana miangaly teatra eny anivon’ny sekoly maro. Eo koa ny fisian’ ny fampianarana sy fampahafantarana ny momba ity zavakanto iray ity.
Lin