SOMBIM-BAOVAO

Nihintsana teo amin’ny dingana faharoan’ny lalao an’olon-tokana avokoa ireo Malagasy mpilalao tenisy miatrika ny Fifaninanana Afrikanina hatao any Accra Ghana. Tsara marihina fa mbola misy lalao iraisan’olon-droa ho an’ny sokajy lahy sy vavy izay hataon’izy ireo. Tsiahivina fa izay firenena efatra voalohany ihany no manao ny « par équipe ».

Mitsahatra kely ny fifaninanana nasionaly “Pureplay Football League”, taorian’ny andro fahadimy notontosaina ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitarika ao amin’ny vondrona misy azy, kaoferansy Avaratra, ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, raha toa ka ny Zanakala FC Fianarantsoa kosa no lohany ho an’ny Atsimo.

Niditra an-tsehatra, omaly, ny Ankoay, lahy sy vavy, U23, ao anatin’ny andiany faha-13 ny Lalao Afri­ka­nina, hatao any Ghana. Côte d’Ivoire sy Ghana no nifanandrina tamin’ny ekipa malagasy vehivavy, raha toa ka i Mali sy i Ghana no nihaona tamin’ny Ankoay, lehilahy.

Tonga nanotrona ny famaranana ny lalao Smatchin, taranja basikety, ny alahady teo, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja. Nambarany fa vonona ny hanohana ny hetsika manandratra avo ny fanatanjahantena malagasy toy izao izy.

Partager sur: