Hanorina ozinina famokarana zezika any amin’ ny faritra enina ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ato anatin’ny 100 andro. Anisan’ny toerana hananganana izany ny any Mahitsy, ho an’ny faritra Analamanga. Tafiditra ao anatin’ny Politikan’ny fanjakana, hampiroboroboana ny indostria ity paikady ity.
Niisa 7 653 ny mpitsidika ny hetsika “Tsenaben’ny Fizahantany” andiany fahafito, natao tetsy amin’ ny zaridaina Antaninarenina, nandritra ny 3 andro (15-17 marsa). Fotoana nentina nampahalalana ny fizahantany anatiny ho an’ny Malagasy. Anisan’ny hetsika manaraka hataon’ny minisitera ny “Nosy Boraha Jazz Festival” any Sainte-Marie, amin’ny faran’ity volana marsa ity.
Nanapa-kevitra ny Banky foiben’i Madagasikara, ny febroary teo, fa tsy ovaina ny tahan’ny zanabola. Tazonina ho 9% ny taha ho an’ny fametraham-bola (taux des facilités de dépôt), ary 11% ho an’ny fampisamboram-bola (taux des facilités de prêt marginal). Antony, tsy nihetsika manodidina ny 7% ny fidangan’ny vidin-javatra jifaina eto amintsika.