“Fianara Reggae Festival”: miditra amin’ny andiany fahasivy ny hetsika

Miditra amin’ny andiany fahasivy ny “Fianara Reggae Festival”. Hiavaka ity andiany ity, noho ny fana­tsarana entin’ny mpikarakara.

Tanterahina ny 29 hatramin’ny 31 marsa 2024, ao amin’ny Alliance Fran­çaise Fianarantsoa, ny « Fianara Reggae Festival », andiany fahasivy. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ity gadona ity eto Madagasikara izany. Tanjona ny hampiroborobo ny Reggae any amin’ny faritra. Manampy izany ny famoronana toerana sy fotoana hahafahan’ireo mpisehatra mihaona sy mifanakalo traikefa ary fahaiza-manao.
Anisan’ny hetsika lehibe, mampalaza ny faritanin’i Fi­ana­rantsoa ny « Fianara Reg­gea Festival », isaky ny va­nim-potoana toy izao. Ny fi­kambanana Sarondra, tarihin-dRabearivony Tanjona, sy tanora mpilatsaka an-tsitrapo miisa folo no tomponandraikitra sy namorona ny hetsika. Nianatra manokana momba ny kolontsaina sy ny zavakanto teny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, Rabearivony Tanjona, ary nahazo mari-pahaizana tamin’izany.

Hiavaka

Haharitra telo andro ny hetsika amin’ity andiany fahasivy ity, raha roa andro izany teo aloha. Hampiavaka ny amin’ity taona ity, ny fandraisan’anjaran’i Jahfazon, mpanakanto mpiangaly ny gadona Reggea avy any Maurice sy Wubani Spirit avy any Mayot­te.
Manaraka izany, Malagasy mpanakanto miangaly ity ga­dona ity maro no handray anjara amin’ny hetsika. Ani­san’izany i Mashmanjaka, Jah Roots Malagasy Revolu­tion… ankoatra ireo maro tsy voatanisa hizara ny kantony.

Lin

Partager sur: