Fitantanana ny faritra: hotsaraina amin’ny asany ireo governora

Hisy ny tombana ho an’ny governora rehetra, manerana ny Nosy, mialoha ny fifidianana depiote . Aorian’izay, hisy ny tafaverina, hisy ny tsy maintsy handao ny toerany.

Mananontanona ny fanesorana amin’ny sezany ireo governora ho an’ny faritra sasany amin’izao fotoana izao. Hadinina tsirairay sy hotsarain’ny filohan’ny Repoblika izy ireo, mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka izao raha tsy misy ny fiovana. Anisan’ny handrefesana ny asa vitan’ireo governora ny fanamboarana fotodrafitrasa. Eo ohatra ny fahavitan’ny lalana any anivon’ny faritra rehetra any.
Etsy andaniny, mbola banga tsy misy mpitantana ny faritra sasany amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy hampanakaikezina vahoaka anefa ny fahefam-panjakana. Araka izany, hiroso amin’ny fanendrena izany ny fitondram-panjakana ka tombanana koa fa tsy ho dila amin’ny hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka izao koa izany. Mbola maro rahateo ireo faritra tsy mbola manana governora. Anisan’izany ny any Amoron’i Mania rehefa voatendry ho minisitry ny Mponina, i Fomendraza Haingo Elisette, nitantana izany faritra izany teo aloha. Manampy izany ny nananganana faritra roa vaovao, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny taona lasa. Anisan’ny andrasana ny fanendrena ny governora ho an’ny any Ambatosoa. Eo koa ny faritra vaovao ho an’ny any Mangoro rehefa nosarahina amin’ny faritra Alaotra.
Tsy maintsy mbola handalo masontsivana avokoa ireo fanendrena governora vaovao ireo.

Synèse R.

Partager sur: