Lalao ara-pirahalahiana : nanomboka omaly ny fanazaran-tenan’ny Barea

Nanatanteraka fanazaran-tena tetsy amin’ny kianja «synthetique» Mahamasina, ny Barea de Madagascar, omaly. Efa tazana nanoman-tena niaraka tamin’ireo namany ny kapiteny, Raveloson Rayan. Toraka izany ny mpilalao mila ravinahitra any La Réunion, toa an-dry Berajo, Rojo Be, Ando Pro, Baggio.
Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tsy ho avy aty Ma­da­gasikara noho ny ratra nahazo azy ry Romain Me­tanire sy Hakim Abdallah. Tsiahivina fa ankoatra azy mirahalahy ireto, tsy hanatevina ny Barea ihany koa ry Carolus, Fabien Boyer, La­poussin, Kenny Lala, Sayha Seha, Marco Ilaimaharitra. Raha ny fantatra, tsy afaka noho ny hamaroan’ny fifaninanana eoropeanina natrehin’izy ireo ry Marco sy Lapoussin ka nangataka ny hiala sasatra kely.
Ankoatra izay, nigadona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny delegasion’i Burundi sy Botswana. Noho ny fiara-miasan’ny FMF sy ny Televiziona malagasy (TVM), halefa mi­vantana avokoa ny lalaon’ny Barea rehetra, ny 22 sy ny 25 marsa ho avy izao.

Fitia Randria

Partager sur: