Marary nefa tsy maharaka intsony ny vola eo am-paletanana entina mitsabo tena. Ahitana izany avokoa ny faritra sy ny distrika maro manerana ny Nosy. Anisan’ izany ny any Toamasina.
Tonga tany an-toerana ny karnavalin’ny fahasalamam-bahoaka, entin’ny sambo lehibe Mercy Ships. Mandray an-tanana ireo marary aman’arivony sy karazan’aretina maro samihafa izy ireo. Tonga maro ny olona manerana ny Nosy te hisitraka izany. Nanomboka ny 6- 7- 8 marsa teo, aman-jatony ireo olona sy marary milahatra sy te hahazo ny fitsaboana maimaimpoana. Tsy sakana ho an’ireo tonga ny filaharambe sy ny rotsakorana nisesy tany Toamasina. Marary amin’ny lafin-javatra rehetra ny Malagasy, raha tsorina. Marary ny vatany vokatry ny tsy fahampian’ny fahefa-mividy, noho ny fiakaran’ny vidim-piainana misy eto amintsika. Niverina nisokatra indray, tamin’ny 11 marsa teo, ny fisoratana anarana hisitraka ny fitsaboana eto amin’ny Nosy. Hifarana ny 29 marsa ho avy izao izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsy mahandry andro maraina ireo olona te hisitraka ny fitsaboana. Misy matory eny an-davarangan’ny hopitaly mihitsy ny sasany, miandry filaharana.
“Manampy betsaka ny fitsaboana maimaimpoana tahaka izao satria mba afaka mividy sakafo hohanina izahay ary tsy voatery hanagom-bola be handehanana hitsabo tena any amin’ny hopitaly sy any amin’ny mpitsabo rehefa marary”, hoy ny olona nanaovana fanadihadiana nanoloana ny Lapan’ny tanàna any an-toerana. Anisan’ny olan’ny Malagasy maro ny tsy fananam-bola na dia miasa aza, tsy maharaka ary tsy mahavita ny fiainana ny karama raisina rehefa faran’ny volana, hoy hatrany izy ireo. Manampy izany ihany koa ny tsy fahitan’ ny tanora asa noho ny fahavitsian’ny orinasa eto an-toerana. Vokany, tsy zakan’ny isan-tokantrano intsony ny saran’ny fitsaboana sy ny vidim-panafody rehefa marary.
30 taona nanaovana asa soa ny Mercy Ships
Efa niova anarana intelo vao tonga ho “Mercy Ships” ity sambo lehibe fitsaboana ity. Niforona tamin’ny taona 1978 izy ity ary ahitana mpisehatra maro momba ny fahasalamana ao anatiny. Tarihin’ i Stephans sy ramatoa vadiny, izay teratany amerikanina ny fikambanana. Misehatra amin’ny fanaovana asa soa sy fitsaboana maimaimpoana ho an’ny olona rehetra maneran-tany no tanjony. Nahavita nitety firenena 14 aty Afrika izy tao anatin’ny 30 taona nisiany. Maherin’ny 114 000 ny fandidiana efa nataon’izy ireo nandritra izany. Manodidina ny 53 000 ireo mpiasan’ny fahasalamana matihanina sy voaofana miasa ao anatin’ity sambo ity. Mitotaly 1,8 miliara dolara ny fampitaovana efa natolotra nandritra izany. Mahatratra 250 isan-taona ny fandidiana maimaimpoana mahakasika ny vehivavy sy ny reny. Nametraka sampana fandidiana mahakasika ny “Fistule obstétricale” izy ireo tamin’ny taona 2016. Teratany avy amin’ny firenena 35 kosa ny miasa manodina ny sambo hatramin’izao. 244 kosa ireo teratany malagasy, mpilatsaka an-tsitrapo amin’izany.
Ireo karazam-pandidiana raisina
Saika ireo karazam-pandidina saro-pady sy lafo vidy no raisin’ny sambo Mercy Ships an-tanana. Anisan’izany ny tarehy tratran’ny fibotsonana, ny fahasembanana, ny fanarenana ireo faritra may amin’ny vatana, “chirurgie plastique” sy “chirurgie reconstructrice”. Mba hamerenana ny hasin’ny maha olona, indrindra ho an’ireo tratran’ny fahasembanana ka mety mitarika olana eo aminy sy ny fiainany andavanandro. Mbola anisan’ny raisina ihany koa ny fandidiana ny molotra na tenda misy “goiter”, fibotsonana “chirurgie maxillo faciale”, ary ny fandidiana ranjo misy tsy fahatomombanana “chirurgie orthopédique pédiatrique”.
Miantoka ny lany rehetra ny Mercy Ships
Mitsinjara amin’ny disitrika 12 sy faritra 11 eny amin’ireo hopitalim-panjakana avokoa ny fisoratana anarana. Anisan’izany, ny etsy amin’ny CHU Andohatapenaka ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga. Toamasina CHU Analankinina sy Brickaville CHRD ny any amin’ny faritra Antsinanana. Any Vavatenina CHRD kosa ny any amin’ny faritra Analanjirofo. Any Amparafaravola CHRR ny faritra Alaotra mangoro. Any Miarinarivo CHRR faritra Itasy. Maevatanana CHRR, faritra Betsiboka, Ambilobe CHRD , faritra Diana, Antsohihy CHRR faritra Sofia, Morafenobe CHRD faritra Melaky, Ihosy CHRR faritra Ihorombe ary Manakara ao amin’ny CHRR faritra Vatovavy. Isaky ny alarobia sy sabotsy ary alahady ny fisoratana anarana mandritra izany. Mbola hisy ny sivana ho an’ ireo hisitraka ny fandidiana.
Amin’ny ankapobeny, aorian’ny fivoahan’ny anaran’ireo voasafidy ny hisitraka ny fitsaboana, miantoka ny fahatongavan’ny marary sy olona iray mpanaraka azy any an-toerana ny sambo. Toy izany koa ny fiantohany ny sakafony hatramin’ny fahavitan’ny fandidiana sy ny fiverenany mody. “Aorian’ny fisoratana anarana, atao ny sivana sy ny fitiliana any ivelany ireo karazan’aretina”, hoy i Merylla, teratany aostraliana, misahana ny scaner sy ireo milina fitiliana mialoha ny fandidiana. Nilaza izy fa mbola misy fitaovana manara-penitra vaovao anatina kaontenera valo andrasana.
Nanatontosa : Sajo