“Tsy manao fampisehoana na aiza na aiza aloha i Magic Jah fa manomana fety goavambe amin’ny taona 2024”. Tany amin’ny volana jona 2023 no nanaovan’ity mpanakanto ity io fanambarana io. Notanany ny teniny, ka hatao amin’ny alatsinain’ny Paka, ny 1 avrily izao, ilay fampisehoana “Baomba be”, araka ny anarany. Tsy lavitra fa eo an-tokotany malalaky ny Oriental International Ankazomanga no manome fotoana ireo mpankafy azy i Magic Jah. Hanome lanja ny mozika mihetsika amin’ny karazan-gadona maroloko fa amin’ny fiteny eto afovoan-tany ity mpanakanto ity. Efa hainy rahateo ireo mpankafy iantefan’ny hirany satria nifanerasera taminy an-taonany maro. Tany amin’ny fanombohan’ny taona 2000 tany no nanomboka niroso tsikelikely tamin’ny mozika i Magic Jah. Anisan’ny tena nahafantarana azy ilay hira “Séraphine”, “Tsisy miala eo rasta”, sns. Nisy fotoana niato kely tamin’ny fisehoana an-tsehatra, fa tsy niala tamin’ny mozika mihitsy ity mpanakanto ity. Anisan’ireo rakitsary nivoaka faramparany hiatrehana ity fampisehoana ity kosa ny “Virginie”, “Zanako”…
I Magic Jah no lohalisitra amin’ny fampisehoana, fa hisy mpanakanto maromaro kosa hifanotrona aminy an-tsehatra. Zokiny indrindra amin’ireny i José Satoub sy Ramora Favori. Eo ihany koa ry Marcial Soukouss, Sabata, Honoré ary Pantsélo. Mazava loatra fa nosafidiana manokana mba ireo mpanakanto andrasan’ny mponina eny an-toerana ireto homena sehatra ireto.
Zo ny Aina