Mihena hatrany amin’ny 424 007 t ny vary nafaran’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa. Antontan’isa ambany indrindra tao anatin’ny efa-taona manoloana ny firoboroboan’ny vokatra eto an-toerana.
Mitotaly 424 007 t ny vary nafarantsika nandritra ny taona 2023. Fihenana farany ambany indrindra tao anatin’ny efa-taona, araka ny tatitra navoakan’ny ivontoeram-pirenena misahana ny antotan’isa (Instat). Mielanelana 320 839 taonina ny lanjan’ny vokatra nafarana raha oharina tamin’ny taona 2022, ity farany izay tombanana 744 846 t. Tsara ny voka-bary teto an-toerana nandritra ny taona 2022-2023, ka nahazoana izao vokatra izao. Noho izany, voatery nampihena ny vary nafarany ihany koa ireo mpandraharaha. Mandrisika amin’ny fanjifana ny vokatra eto an-toerana kosa ireo minisitera samihafa. Ankoatra izay, nanombana ny fisondrotana 8% ny voka-bary eto an-toerana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana nandritra ny taona 2023. Nisy, araka izany, ny paikady noentina nanantaterahana ny asa ka nampiroborobo ny famokarana eto an-toerana (SNDR). Voafaritra tamin’izay fa hamokatra vary akotry manodidina ny 6,2 tapitrisa taonina i Madagasikara raha toa ka manodidina ny 5,8 tapitrisa taonina eo ny filana mandritra ny taona 2024. Tanjona ny hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, noho izany. Tafiditra ao anatin’ny soro-dalan’ny SNDR ny fanitarana ireo lemaka samihafa sy ny fanohanana ny tantsaha amin’ny alalan’ny fanomezana zezika sy masomboly azy ireo.
Foto-tsakafo
Mbola voasokajy ho foto-tsakafon’ny Malagasy any avaratry ny Nosy sy eto anivon-tany ny vary, araka ny tatitra navoakan’ny “réseau de systèmes d’alerte précoce contre la famine”. Na izany aza, mbola betsaka ireo tokantrano sahirana manjifa ireo vary nafarana noho izy mora kokoa raha oharina amin’ireo vokatra eto an-toerana. Fantatra fa natao ho sakafo avokoa ny 80% amin’ny voka-bary eto amintsika raha amidy kosa ny 20%, araka ny tatitra navoakan’ny banky iraisam-pirenena. Dingana lehibe namaly ny filan’ny Malagasy ny fihenan’ny fanafaran’i Madagasikara vary, izay vokatra azo tamin’ny fiaraha-mientan’ireo mpisehatra samihafa sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany amin’ny fampiroboroboana ny vary eto an-toerana.
Henintsoa Hani