Triathlon : nanao pao-droa i Fitia Vanilla

Nisongadina ny zava-bitan’i Malalanirina Fitia, teo amin’ny fifaninanana Triathlon, notanterahina tany Antsirabe, ny sabotsy lasa teo. Fifaninanana nokarakarain’ny ECTA avy ao an-toerna. Nanao pao-droa ny tovovavy tamin’izany. Anisan’ny nahazoany fandresena ny teo amin’ny triathlon standard. 4 ora 44 mn 59 s ny fe-potoana azony, tamin’ny fanatontosana ireo taranja telo: ny lomano 1500 m, ny fandehanana am-bisikileta 40 km ary ny hazakazaka an-tongotra 10 km. Mbola izy no nahazo ny teo amin’ny triathlon decouverte, izay vitany tao anatin’ny 56 mn 31 s ny lomano 400 m sy ny hazakazaka am-bisikilety 10 km ary ny dia an-tongotra 2, 5 km.
Ramampiandra Toavina kosa no voalohany teo amin’ny triathlon standard sokajy lehilahy. 2 ora 51 mn 54 s ny nahatontosany ny dingana telo. Teo amin’ny duathlon decouverte, nahazo ny fandresena Iantsafitia Fiderana ho an’ny vehivavy, Iavotriniaina Tsinjohasina teo amin’ny lehilahy. Nobatain-dRasolohery Elson kosa ny fandresena teo amin’ny duathlon lavitra ezaka.

Torcelin

Partager sur: