Hosodoko anatina fafana folo, maneho ny lohahevitra « Tsy manan-kialofana » no namoahan’i Ashiko Ratovo ny aingam-panahiny, etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely. Raha haravona ho iray, fohazin’ity mpiangaly ny haikanton’ny ankehitriny ity ny saina amam-panahin’ireo mpitsidika. Ny fahitany ny endrika asehon’ny « Tsy manan-kialofana » eo amin’ny fiarahamonina no arantiny amin’ny alalan’irony hosodoko tsy maneho endrika ankarihary sy mivantana (paysages abstraits et organiques) irony. Andaniny, fohazin’i Ashiko Ratovo ny sain’ny mpitsidika handinika tsara ny ambaran’ny sary tsirairay. Ankilany, hisintona ny hevitra tian’ny sary hampitaina. Nampiasain’i Ashiko Ratovo tamin’ny fanatontosana ireto hosodoko folo ireto ny loko voajanahary sy ny lokorano feta.
Marihina fa anisan’ireo valisoa azony amin’ny maha laharana voalohany azy tamin’ny fifaninanana « Prix Paritana » andiany fahafito karakarain’ny Fondation H, ity fampirantiana ity. Anisan’ny misongadina amin’ny ranty ny zava-misy eo Ialatsara (Lalatsara) sy Atalata (Talata) tsena eo Ambohimahasoa.
HaRy Razafindrakoto