VAOVAO TAMBATRA

Vita hatrany amin’ny 95%-n’ny asa fanamboarana ny tetezan’i Manambondro, faritra Atsimo Atsinanana. Any amin’ny lalam-pirenena RN12A no ahitana azy, eo amin’ny PK174+150, izay natao “béton”. Namatsy vola ny fanamboarana ny tetezana ny Banky iraisam-pirenena, nataon’ny orinasa Consortium Wietec SDLQ.

Hatao ny 27 marsa ho avy izao ny fampiofanana ny fiompiana trondro any amin’ny kaominina Sakalalina, distrika Ivohibe, faritra Ihorombe. Anisan’ny hifantohana ny fahalalana fototra, ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny famokarana zana-trondro karpa, ny fanamboarana ny sakafon’ny trondro sy ny fitantanana azy. Maimaimpoana ny fiofanana.

Hanao tolotra “Train pascal 2024” ny zotra an-dalamby FCE mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara ny 1 aprily izao. Hianga amin’ny 9 ora maraina ny lamasina ka miverina amin’ny 5 ora hariva. Hiainga amin’ny 10 ora maraina kosa ny micheline raha hiverina amin’ny 4 ora tolakandro. Voafetra avokoa ny toerana mandritra ireo dia ireo.

Mihena 6 400 ny litatry ny menaka ao amin’ny faritra Matsiatra ambony noho ny fisian’ny orinasa mpanodina menaka ODOF ao an-toerana. Mitohy hatrany ihany koa ny fitsirahana ataon’ny tomponandraikitra samihafa, mba hisorohana ny fanararaotana amin’ny varotra tsy ara-dalàna.

Partager sur: