“Raha ny volavolan-dalàna natolotray izay nivadika ho lalàna fa nolavin’ny tao amin’ny HCC. Haverinay indray izy io amin’izao fivoriana manaraka izao”. Io ny nambaran’ny mpikambana mpanorina ny Vondrona miralenta ho an’ny fampandrosoana (VMLF) sady ao amin’ny Vovonan’ny vehivavy mpanao politika aty amin’ny Ranomasimbe Indianina (PFPOI), Razafindehibe Nathalie Céline, ny amin’ ny lalàna momba ny fandraisan’ny vehivavy toerana mpanapa-kevitra amin’ny raharaham-pirenena. Noho izany, naka karazana manampahaizana ry zareo amin’izany: manampahaizana manokana momba ny Lalàmpanorenana, mpahay fiarahamonina, mpitondra fivavahana, raiamandreny ara-drazana, mpanao politika…
Misy koa ny tetikasa iarahan-dry zareo amin’ny masoivoho frantsay amin’ny alalan’ny AFD miaraka amin’ny VMLF, ohatra, hamerenana indray ny fandrafetana ny volavolan-dalàna eny amin’ny Antenimieramipirenena. Volavolan-dalàna momba ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny toeran’ny mpanapa-kevitra izany. Betsaka ny vehivavy manampahaizana. Mametraka olana ny toerana fanendrena olona, fa ny toerana fifidianana olona no tena mbola tantara, araka ny fanazavany. Aoka tsy hanonofy fa miandry ny fahatongavan’ny lalàna izany. Nefa tsy hiandry ny lalàna ry zareo amin’izany, fa mivonona dieny izao handray andraikitra. Manentana ny vehivavy tsy ankanavaka amin’izany izy amin’izao fiatrehana fifidianana izao.
R. Nd.