Voaolana : ankizivavy nihosin-dra tao anaty ala

Nitrangana fanolanana ankizivavy tao amin’ny fokon­tany Tanambao Nosy Be, kaominina ambanivohitr’ Antetezam­baro, distrikan’i Toamasina II, afakomaly. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, naheno ankizy mitomany sady mitaraina tao anaty kirihitr’ala ny olona sendra nandalo ka niantso azy ireo.
Voamarina ny fisian’ilay ankizy. Zaza efa mihosin-dra no tazan’ny zandary sy ny fokonolona. Nahatazana tovolahy iray nitsoaka avy ao anatin’io kirihitr’ala io ny sasany tamin’ireo fokonolona. Nanao ny fikarohana ilay tovolahy nahavanon-doza avy hatrany ny zandary ka nampian’ny fokonolona tao an-toerana.
Nentina notsaboina ao amin’ny « Centre Vonjy » ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ilay niharam-boina. Na eo aza ny hamafisin’ny fampiharana ny lalàna sy ny fepetra hampiharina amin’izay voamarina fa nanolana, lasa mirongatra izaitsizy tato ho ato ny trangana fanolanana ao anatin’ny distrikan’i Toamasina II.
Anisan’ny mampitaraina ny olona ny fisian’ireo trano manao alim-pandihizana tsy misy fiafarany ao an-toerana. Zary lasa mitsoaka an-tsekoly ny ankamaroan’ireo ankizivavy noho ny fitondra vohoka mialoha ny fotoana satria variana amin’ireny alim-pandihizana ireny.

Sajo

Partager sur: