Zatra notoloram-potsiny!

 

Ohatra ny mangingina hafahafa izany ny eto an-drenivohitra. Mazava toa manjombon-dava. Tsy hita faly na tomany ny tanàna. Hazakaza-dava ny an’ny mponina izay tsy hay hoe mankaiza. Ny mpatory an-dalana sy ny vahoaka mihasahirana no mihamaro an’isa eny rehetra eny. Ny loto sy ny fahantrana toa mpisakaiza tsy afa-misaraka amin’Antananarivo Renivohitra.
Atao hoe mandroso ilay tanàna, amin’izato fotodrafitrasa marobe mijoalajoala etsy sy eroa toa tsy mandroso. Lazaina ho mihemotra anefa tsy miverin-dalana ihany koa. Mifamahofaho izany ilay fiainan-dRamala­ga­sy, indrindra ny eto Antananarivo. Tsy misy andro mihiratra izany, tsy misy zava-mivoatra afa-tsy ny vidim-piainana izay manonga dia manonga amin’ny hafanganam-pandeha’ny lamasinina TGV. Aiza ho aiza anefa ny fidiram-bola, mikisaka toy ny sokatra…zara raha mandroso. Mihagoavana ny hantsana mampisaraka ny sarangam-piarahamonina. Mangitsoki­tso­ka ny elanelana amin’ny samy Malagasy.
Iza anefa no homen-tsiny? Sitrapon’iza no te hivangongo eto Antananarivo? Manenjika randrana tsy manendrika ny tena. Vao misintaka ny renivohitra anefa dia midadasika ny toerana azo hananganana fiainana vaovao. Firifiry ny toerana any enebaneban-tany no azo hajariana sy hanorenana tanàna? Ekena fa sarotra ny manao fiaingana vaovao, indrindra raha mbola vato kiboribory, saingy ilaina ny finiavana.
Lesoka goavana ilana fanarenana mifanaraka amin’izany ny mahakasika ny finiavana hanao zavatra. In­drindra ny fialana amin’ny toe-tsaina zatra toloram-potsiny sy miandry mahazo fotsiny? Tsy misy fahagagana raha mbola ny fanahy maha olona no raiki-tapisaka amin’ny tsy fahanjariana sy fitiavan-dratsy. Tsy misy afaka mandroso anatin’ny fanahy tsy te hivoatra.
Tsy hiandrasana mpitondra fanjakana izany fa miainga avy amin’ny tsirairay.

r.r

Partager sur: