100 andron’ny Filoha!

 

Mbola manana 33 andro! nahavita ny androatokon’ny fotoana nomen’ny Filohan’ny Repoblika hampisehoam-pahaizana ireo mpikambana amin’ny governemanta. Hatreto, tsy hita izay tena misongadina afa-tsy izay tena mahay milalao serasera. Mahay manasongadina ny zava-bitany na kely toa ny loham-panjaitra aza izany.
Ny sasany na ny anarany aza tsy henoheno, ny tare­hiny zara fa hita amin’ny sehatra tokony hisehoana vahoaka. Asa! miasa mangina ve izy ireny ? Enga anie ka hisy asa mivaingana sy ho azo tsapain-tanana hivoaka amin’ny andro hanaovana ny tombana. Tsy maintsy hisy rahateo
ity farany, araka ireny lokaloka nifanaovana ny andron’ny 14 janoary, nahavoatendry azy ireo ireny.
Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny tena milofo sy manenjika, araka izay tratra, izay azo tratrarina. Inona tokoa moa no ho vita anatin’ny telo volana? Ny minisitera sasany aza mbola lany andro amin’ny fanovana olona. Inona anefa no mahamaika amin’izany raha mpitarika ampy traikefa sy vonona ny hanenjika vokatra. Taratry ny fahaiza-mitantana rahateo ny fahafahana miara-miasa amin’ny olona tsy voatery hitovy amin’ny tena.
Mazavabe rahateo fa misy ny fomba fiasa izay miompana amin’ny fanohizana ny raharaham-panjakana. Tsy voatery hijery tsangan’olona. Mitaky teknisianina afaka mamokatra dia efa mety. Tsy voatery hizara mofomamy amin’ny mpiara-mitolona ihany koa. Ny asa vita no ifampi­tsarana sy handrefesana ny fahaiza-manaon’ilay minisitra.
Toe-tsaina iray, mbola sarotra ho an’ny Malagasy mpitondra rahateo, ny fanomezan-danja ny teknisianina. Sodokan’ny akama sy mpiara-mitolona izay tsy voatery mahafehy ny asa.
Mbola misy fanovana lehibe andrasana amin’ny ekipan’ ny fitondrana amin’ity fotoam-pitondrana ity. Manomboka any amin’ny filohan’ny Repoblika izany, raha hitazona ny teny nomeny manoloana ireo minisitra tsy mamokatra izy.

r.r

Partager sur: