Beach soccer sy Futsal: hisy fifaninanam-pirenena hifantenana ny Barea

Hofohazina eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) indray ny kaomisiona beach soccer sy ny futsal, rehefa tsy nihetsika nandritra ny taona vitsy.

Anisan’ireo homena se­hatra amin’ny fifaninanam-pirenena ny taranja beach soccer sy ny futsal, eto Madagasikara. Io no nambaran’i Pontiac Theopahn, filohan’ny komisiona, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, tetsy Isoraka, omaly. Ho an’ny taranja beach soccer, ho famohazana indray sy hamerenana ny zava-bitan’ny Barea tamin’ny taona 2015, nandrombahina ny Can, hisy ny festival ny 13 ka hatramin’ ny 19 mey ho avy izao, hatao any amin’ny faritra Sava. Asaina amin’izany avokoa ireo mpilalao nandrafitra ny Barea teo aloha. Aorian’izay, hotanterahina any Manakara ny fifaninanam-pirenena ny fiandohan’ny volana jolay. Zava-dehibe ireo fihaonana roa ireo satria hitilina izay handrafitra ny Barea, hiatrika ny Can hatao any Egypte, ny volana aogositra.
Ezahina hatao indroa isan-taona ny festival, ka raha ho an’ity taona ity, ankoatra ilay any Sava, hisy koa any To­liara, ny volana novambra ho avy izao.
Hampiantrano ny fifani­nanam-pirenena eo amin’ny futsal kosa Antananarivo, ny volana aogositra. Handray anjara amin’izany avokoa ireo faritany enina. Sokajy 5 ny hi­faninanana amin’izany dia ny U13, U15, U17, ny “sénior” ary ny “vétéran”. Nambaran’ Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny federasiona, fa manan-talenta amin’io taranja io koa ny Malagasy. Tanjona ny hananganana ekipam-pirenena. Nohamafisin’i Pontiac Theophan fa anisan’ny taranja efa malaza maneran-tany ny futsal ary betsaka ny manao azy eto Madagasikara.

Tompondaka

Partager sur: