Misokatra sy mivelatra hatrany amin’ireo firenena maro i Madagasikara. Mitombo miaraka amin’izay ny fiaraha-miasa amin’ireny firenena ireny, indrindra amin’ireo tetikasa miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka.
Tontosa, omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny lanonana nanoloran’i Ji Ping, masoivoho vaovaon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, sy i Kate Chamley, masoivoho vaovaon’i Australie, ny taratasy manendry azy ireo hiasa eto Madagasikara. Nandray azy ireo tamin’izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Nisy ny tafa sy dinika nifanaovan’ny filoha tamin’ireo masoivoho
tsirairay avy. Anisan’ny noresahina tamin’izany ny fiaraha-miasa vaovao sy ny fanatsarana ny efa nisy taloha.
Porofon’ny fiaraha-miasa sy fifandraisana ny fisian’ireo masoivohon’ny firenena, anisan’ny manana ny maha izy azy, miasa sy monina eto amintsika. Raha ny mahakasika ny fiaraha-miasa amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine manokana, efa hatramin’ny ela no nisian’izany teo amin’ny firenena roa tonta. Fahombiazana ho an’ny rehetra hatrany ny vokatr’izany. Anisan’ny niarahan’ny firenena roa tonta niasa, ohatra, ny eo amin’ny lafiny fambolena sy ny fananganana fotodrafitrasa maro ary ny firosoana amin’ny fampiasana angovo azo havaozina. Hitohy ary hihatsara hatrany izany ho tombontsoan’ny firenena roa tonta, araka ny nambaran’ity masoivoho vaovaon’i Chine ity.
Ho an’i Kate Chamley, masoivoho vaovaon’i Australie kosa. Nankasitraka ny fanoloran-tenan’ny Filoham-pirenena malagasy eo amin’ny sehatry ny fampiofanana arakasa sy ny fanabeazana izay antoky ny fampandrosoana ny mponina izy. Nambarany ihany koa fa hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny fampiofanana arakasa sy ny fanomezana vatsim-pianarana mankany Australie.
Lin