Ecole des Gobelins Paris : hanatsarana ny sarimihetsika malagasy

Mandalo eto Madaga­si­ka­ra ny «Ecole des Gobe­lins Paris», sekoly anisan’ny sangany amin’ny fampianarana horonantsary fanentanana, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany, hisy ny adihevitra iarahana amin’ny Cécile Blondel, matihanina eo amin’ ny tontolon’ny sarimihetsika, sy Alizée Dallemagne, tomponanandraikitry ny sekoly. Anio, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Anala­kely, no hanatanterahina izany. Misokatra ho an’ny rehetra ary maimaimpoana tanteraka ny hetsika. Tanjona amin’izao fandalovana izao ny hizara fahaiza-manao ho an’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy.
Fanararaotra lehibe ho an’ny eo anivon’ny tontolon’ny sarimihetsika, indrindra ny sarimihetsika fanentanana, izao fandalovan’ny “EGP” izao. Amin’ity anio ity, hisy ny fandefasana sarimihetsika miisa enina novokarin’ny avy eo amin’ny sekoly, arahina adihevitra manokana, iara­hana amin’i Cécile Blondel. Toy ny “Au revoir Jerôme”, “La Quete de l’humain», «The Soloists», «El Ombligo de la luna», «Best Friend», ary «Un train pour Istambul».
Efa nisy ny atrikasa niresahana sy nampahafantarana ny mahakasika ny fototry ny fanoratana sy ny fanatontosana sarimihetsika fanentanana, natokana ho an’ireo matiha­nina, omaly, hitohy anio ma­raina.

Lin

Partager sur: